Nanapa-kevitra ireo mpanao asa tanana ao amin’ny kaoperativa Kovapammina fa ankoatry ny fahaizan’izy ireo manamboatra harona dia hanao hetsika isan-karazany ihany koa izy, tamin’ny taona 1992, ka ny fanamboarana amboradara no nianarany tamin'izany. Mahavita manamboatra kisarisary maro isan-karazany amin'ny alalan'ny tànana na milina izy ireo ankehitriny.
Ireto ambany ireto misy ohatra vitsivitsy momba ny amboradara noforoniny. Aza misalasala milaza izay tianao hovidiana, miaraka amin'izay loko sy kisarisary tianao !